Groupe

Ny Antsaly

Ny Antsaly dia tarika mpiangaly hira vakodrazana tao amin' ny faritra afovoan' i Madagasikara. Maro ny tarika mpihira tamin' ny taonjato faha-20, ireo izay voalaza taty aoriana fa naneho ny vakoka, no nandray kely tamin' ny ban-kira vahiny nalaza tao aorian' ny ady lehibe faharoa, ny tarika Ny Antsaly dia nikiry nampiseho ny tena naha izy azy tamin' ny ban-kirany sy ny tononkirany. Ny angola-teniny dia nolovainy tamin' ny fomba fitenin' ny Ntaolo, izany hoe ny razana. Tsy izany ihany fa ny tarika Ny Antsaly dia nitety firenena maro nampahafantatra ny sangan' asany. Noho izany dia rariny izy raha apetraka am-piandrianana ho anisan' ny tarika malagasy nahay indrindra izy. Satria koa zava-dehibe ho an' ny tanora mpanao zavakanto ankehitriny, na koa ireo izay mpankafy hira fotsiny ihany, ny mahafantatra sy mandinika ary mihaino ny hirany mba hakany aingam-panahy. Ny tarika Ny Antsaly dia tena anivon' ny vakodrazana malagasy.

Source : Wikipédia (CC BY-SA)

Prochaines dates

Aucune date à venir pour le moment.

Tu es Ny Antsaly ? Revendique ta fiche pour gérer ta photo, ta bio et tes réseaux.