
Musicien
Tovo J'Hay
I Tovo J'Hay dia mpanankanto malagasy fantatra amin ny maha mpamorona, sy mpiangaly ny hiran' ny fo (Soul) araka ny maha hiran' ny fo azy izay dia ny fo avy hatrany no voadona rehefa hiantefan' ilay mozika. Manana fomba fihira tsy dia faheno sy fahita loatra teto Madagasikara indrindra eo amin' ilay angola sy fihetsem-po rehefa mihira, ka somary vaovao tamin' ny sofina teny am-piandohana. Misy ny tonga dia mankafy avy hatrany, arakaraky ny fahatakaran' ny tsirairay ny mozika anefa, na dia hita ihany aza hoe miezaka ny tovolahy hanatsotra ny hira ataony mba ho voarain' ny be sy ny maro. Mpanakanto iray nametraka, sy tsy maty intsony ao am-pon' ny Malagasy maro i Tovo J'Hay taty aoriana rehefa tafapaka tsara tany amin' ny mpakafy azy. Nanova ny fomba fijery ny rivotry ny mozika tamin' ny fotoan' andro ho an' ny rivotra hafa indray, tamin' ny taona 2000 tany ho any.
Source : Wikipédia (CC BY-SA)
Prochaines dates
Aucune date à venir pour le moment.
Tu es Tovo J'Hay ? Revendique ta fiche pour gérer ta photo, ta bio et tes réseaux.